nahagaga ahy

Nampidirin'i rasil | 3 Jol, 2007

Mba namonjy fety gasy izaho sy ny namako tamin'ny sabotsy. Tsy nisy fantatro mihitsy ny olona tany. Vao tonga izahay dia nampahafantariny ahy ny namany. Dia nahafinaritra ny lalao. Nisy olona iray koa naman'ny cousine-nay dia lasa namako nony tany. Tany izahay vao nifankahalala fa anarana fotsiny no efa henoko.

Fa ny nahagaga ahy dia ireto olona maka sary. Nisy tovovavy, mbola tsy hitako mihitsy hatramin'izay niainako. Dia izaho tamin'io niresaka tamin'izay ramatoa izay. Dia tonga izy dia naka ny sariko. Sady tsy mba niafinafina fa ilay mankeo aloha dia somary mipetraka hafahafa ireny maka an'ilay sary. Nanao ilay paozina mpaka sary ireny mihitsy. Dia avy eo tsy misy misaotra, tsy misy arahaba fa tonga dia lasa. Dia gaga mihitsy aho.

Nony hariva ny andro. Dia niresaka tamin'izay tovovavy izay aho. Izy koa tamin'izay hono vao mba namonjy fety gasy izany. Dia indro indray nisy tovolahy naka ny sarinay teo alohanay mihitsy. Dia lasa. Dia avy eo niverina indray. Dia naka roa vaovao.

Dia mba lasa mihitsy ny saiko hoe ataon'ireny inona ary sarin'olona tsy fantatra. Sa hankalazana ny page web any amin'ny intenet any.

Manahy aho aloha fa misy amin'ireo sary hoe "photos internationalement protegées par le droit d'auteur et propriété intellectuelle" ao amin'ny madanight ireo ny tsy nierana tamin'ilay olona nalaina sary akory eh.